Firariantsoa ho an’i Madagasikara,

Amin’izao taombaovao 2020 izao,

Ho an’ny roampolo taona ho avy,

Dia manentana ny Malagasy rehetra erantany.

Na mpanao politika, na mpitandrina sy mpitondra fivavahana,

Olon-tsotra, na fikambanana miankina na tsia aminy fanjakana,

Samy afaka mitondra ny anjaram-birikiny.

Aoka tsy hifampijery fa samy manao izay vitany sy tandrify azy.

Anjarantsika ny mampiseho fa liampandrosoana isika,

Samy mitsinjo sy mikatsaka ny ho avin’ireo taranaka fara-mandimby,

Ary mifanampy ho entina miady aminy fahantran’ny firenena.

Manasa antsika rehetra hanao tanamaro,

Haneho fitiavana, firaisankina, fifanasoavana,

Ampiharana ankasa ny vavaka rehetra ho fampandrosoana ny tanindrazana.

Firaisankinantsika Malagasy erantany.

Tiako ny vokatra vita Malagasy, mamelona ny Malagasy,

Atolory ny Malagasy rehetra ny haja sahaza azy,

Asandrato sy omeo fanantenana ny zanaka amampara,

Raiso ny andraikitrao aminy roampoloa taona ho avy izao,

Fahalalana, fahaizana, traik’efa, harena iombonana,

Masina ny tanindrazana sy ny mponina ao aminy,

Tsy manampetra ny haren’i Madagasikara,

Fa ny fitiavana no lehibe indrindra avy any aminao,

Misaotra mialoha tompoko !