Hélicoptères intelo izao no efa naka volamena tamin’ny herin’andro teo tao Betsiaka Ambilobe. Fitrandrahana ataon’ny orinasa akaiky ny Filoha sy ny Sinoa. Permis an’ny orinasam-panjakana Kraoma izy io fa ny orinasa Madamining no nomena tsy nisy tolo-bidy azy io. Efa 49kg ny volamena tamin’ny herin’andro teo fa zara raha 3kg ihany ny déclaration natao. Efa tonga ao Ambilobe, isika miteny izao, ny engin lehibe izay mahavita mitrandraka volamena 1 taonina isan-taona. Tsiahivina ihany fa Betsiaka dia manana tahirim-bolamena hatrany amin’ny 500 taonina ka ny 1 taonina tamin’io dia efa lasan’ny Frantsay tamin’ny fanjanahantany. Efa misy galerie souterraine efa vita ao Betsiaka, ka ny Sinoa no andova izany miaraka amin’ny olon’ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Source: Sobikamada.com

Publié le 16 décembre 2016.